CENI: Tsy misakana ny fikarakarana ny fifidianana ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Ho fametrahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018, ao anatin’ny fahatoniana niroso tamin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana, ny fanamafisana ny tomponandraikitra ao aminy  sy ireo mpiantsehatra manodidina ny fifidianana ny CENI. Nambaran’ny Filohan’ny CENI, Hery RAKOTOMANANA fa efa mandeha araka ny tokony ho izy ny  fikarakarana ny zotra-pifidianana.

Fitsapan-kevim-bahoaka. Araka ny fanazavana  hatrany,  mibanjina ny fifidianana Filoham-pirenena foana ny CENI na tsy mbola misy aza ny filazana amin’ny fomba ofisialy ny hisian’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanitsiana ny lalam-panorenana.

Fanamarinana ny lisitry ny mpifidy. Folo tapitrisa no mpifidy vinavinaina handray anjara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Efa  nisy ny fanavaozana  ny lisitra sy fanentanana ireo olona tokony hifidy. Taorian’ny  fampahafantarana ny tombon’ezaka momba  ireo asa nirotsahan’ny CENI nandritra ny fotoam-piasana nodiaviny (PTP),  asa manaraka hirosoan’ny vaomiera misahana manokana momba ny fifidianana fanamarinana ny lisitry mpifidy mba hisian’ny mangarahara.