CNTEMAD : Afaka iray volana no hivaly ny fanadinana fiodinana voalohany.

Efa an-dalam-pitsarana ny taratasim-panadinana  tamin’ny fanadinana enim-bolana voalohany, ny 11 ka hatramin’ny 13 jolay teo ny ivom-pampianarana fampitan-davitra  CNTEMAD. Raha tsy misy ny sampona, afaka iray volana eo dia hivoaka ny voka-panadinana.

 60%  amin’ny mpianatra  17.000   nisoratra anarana no niatrika  ny fiodinana voalohany. “Nisafidy hiadina ny taranja rehetra amin’ny enim-bolana  faharoa kosa ny ambiny, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTEMAD, Dr Djohary  ANDRIANAMBININA. Nohamafisin’ity farany fa mbola mandray mpianatra foana ny CNTEMAD ka ny tapaky ny volana aogositra  ny farany fisoratana anarana.

Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana fiodinana voalohany  ao amin’ny sekoly fampitan-davitra  CNTEMAD.