COGELEC: Hahazo tombony ny mpandraharaha Malagasy.

Nampanantena sahady ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA  fa hahazo tombony bebe kokoa ireo sehatra tsy miankina rehefa voarain’ny firenena Malagasy  soamantsara ny  mari-bola folo miliara dolara. “Mahavelom-bolo tokoa izany satria higoaka tombontsoa manokana ny mpandraharaha Malagasy”, hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa COGELEC, Alfred ANDRIAMANAMPISOA.

Nambarany ity farany fa orinasa Malagasy maro no hisitraka ny famatsiam-bola azo avy amin’ny fihaonan’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola. “Manana andraikitra voalohany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara rahateo ny Mpandraharaha Malagasy”.