Cours CPE: Manolotra faradoboka ho an’ny BACC sy BEPC.

Ho fanampiana ireo mpianatra indrindra fa ireo mbola marefo ka hiatrika ny fanadinam-panjakana, manolotra faradoboka  ho an’ny mpanala BEPC sy  BACC ny « Cours CPE ». Hampiakarana ny fahazaina ny mpianatra no sady hanazarana azy ireo manoloana ny laza adina rehetra amin’ny andron’ny fanadinana no antony izany.

Efa nanomboka tamin’ny 22 jolay  ny fidirana ho an’ny mpanala BEPC ary hifarana ny 31 jolay. Ny faha 27  ny fidirana voalohany ary ny 10 Aogositra kosa ny faharoa ho  an’ny mpanala BACC. Afaka misafidy ny ora ianarana na maraina na hariva  ireo izay liana amin’izany.

Marihina fa ianarana avokoa ny taranja rehetra. Ny toerana anaovana ny « cours » ho an’ny eto Antananarivo renivohitra dia eny Anosy, Behoririka, Itaosy, Ampiatatafika, Andoharanofotsy, … »Misokatra malalaka ho anao  ny biraon’ny CPE rehetra na eto Antananarivo na any amin’ny faritra « , hoy ny talen’ny fitantanana sy ny ara-bola, Rtoa Rojo.

Fanampiana ireo mpianatra mba ho afaka fanadinana no tena tanjon’ny CPE. Manoloana ny krizy eto amintsika, mitsinjo hatrany ny mpianatra ity ivon-toerana ity. Mirary tanteraka raha ny saram-pianarana no jerena.

Efa maro ireo ankizy nahazo tombontsoa tao amin’ny CPE nandritra izay enina ambin’ny folo taona nisiany izay. Raha ny valim-panadinana farany teo izao, 90% ny tahan’ny fahafahana ho an’ny fanadinana BEPC, 85 % kosa ny BACC, hoy hatrany Rtoa Rojo.

Raha liana amin’izany ary ianao dia manatona ny birao CPE akaiky anao.

Lynda A.