Ny fanomezana andraikitra feno ny vahoaka no manoloana ny voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary no tanjon’ny atrik’asa notanterahan’ny Croix Rouge Malagasy niaraka tamin’ireo mpiantsehatra misahana ny fiatrehana fiantraikan’ny loza voajanahary.
Nandritra telo andro, ny fananana trano fonenana sy toerana azo antoka ho an’ireo faritra mora handarain’ny voka-dratsin’ny loza no nodinihina. “Fifampizarana traikefa ho fanatanterahana ny tetikasa PASSA ny atrika asa fiofanana notontosaina ny 05 ka hatramin’ny 07 septambra 2017”.
Ho politika hanampiana ny fiarahamonina ny hevitra nivoaka nandritra ity atrik’asa ity.