CSANR: Fitaovana hangalana seza fotsiny no hanohanana an-dRajoelina.

Mbola tsy eo amin’ny toeran’ny fitondrana akory ny Filohan’ny tetezamita Andry  RAJOELINA dia efa mamoa-tsampona ireo mpikambana sasantsany ao amin’ny fikambanana manohana azy na ny CSANR. Porofo mivaingana azo tsapain-tanana izany nandritra ny fivoriana notanterahin’ny fikambanana omaly 09 jolay 2017. Ny hanadiovana ny fikambanana no antom-pivoriana, fifidianana birao vaovao hanoloana ny fiaraha-mitantana, izay tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana indray no natao.

Ireo birao voatondro tamin’ny  fiaraha-mitantana no nitondra olona hanakorontana ny fivoriana. Ireto farany no nanao amboletra  nitaky ny hanaovana fifidianana. Ho solony ny vola nomena azy  ireo no antony nanaovany izany.

Nanaiky tsy fidiny ny mpikambana sasany na dia tsy tao anatiny fandaminana aza ny fifidianana.

Misy ampahany amin’ireo mpikambana ao amin’ny CSANR no mikatsaka ny fanohanana ny foto-kevitra ijoroan’ny filohan’ny tetezamita. Ao ihany koa anefa ireo mpikambana hafa izay haka seza fotsiny no antony hidirany ho mpikambana.