CUA: Hizara fanomezana ho an’ireo sahirana manerana ny boriborintany enina.

Amin’izao nahazoana ny faha-57 taona nahazoana ny “fahaleovantena” izao, hanolotra fanampiana toy ny voamaina, vary ary siramamy, ho an’ireo olona nosafidian’ny fokontany isaky ny boriborintany  ny kaominina an’Antananarivo renivohitra (CUA). Ankoatra izany, hizara arendrina ho an’ny zanaky ny mpiasa ihany koa ny CUA. “Rahampitso 23 jona 2017 amin’ny 02 ora tolakandro eny amin’ny Lapan’ny Tanana no hanaovana ny fizarana izay ho arahina fitsofana mozika”, hoy i Sarah Zoe, tomponandraikitra ao amin’ny CUA.

Nanazavana ny resaka fanapahan-dalana ihany koa ity farany nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety. Nilaza izy fa ny sabotsy 24 jona no hisy ampahan-dalana ho tapaka vokatry ny hetsika ara-panatanjahantena  karakarain’ny Ministera. Nanamafy ny tenany fa tsy marina ny feo mandeha fa ho tapaka ny lalana ny zoma 23 jona 2017.