DATIM-PIFIDIANANA: « Tsy mihemotra izany »

Tsy misy hahemotra izany ny datim-pifidianana efa voatondro, hoy ny praiministra Christian Ntsay nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo, ny 06 jolay 2018 tao Antsirabe. Nohamafisiny fa ny 07 novambra 2018 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filohampirenena. Ny 19 desambra 2018 kosa ny fihodinana faharoa raha misy izany. « Tsy misy ialàna amin’ny krizy afa-tsy ny fifidianana ihany », hoy izy. Noho izany efa daty raikitra ireo datim-pifidianana ireo.Vonona hihaino ny mpiantsehatra rehetra ny governemanta mba hanamafisana ny firosoana amin’ny fifidianana. Tanjona ny hisian’ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana lavitry ny fifandrafesana.