“Tokony hametra-pialana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA satria tsy mahavita ny asany”, hoy ny DFP. Na ny fiarovana ny vahoaka aza aza tsy voafehy intsony. “ Inona intsony no handrasana amin’ny fitondrana ankehitriny? Tsy mahavita ny adidiny amin’ny fiarovana ny ain’ny Malagasy manoloana ireny fitsaram-bahoaka ireny izy ireo. Lasa an-tsirambina ny fiarovana ny vahoaka. Noho izany, mangataka fihaonana amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana EMMOREG ny DFP hamahana izany haingana ary tsy misy ataka andro.
Manaraka izany, mbola nohamafisiny ny Dinika ho Fanavotam-Pirenena fa mila fifampiresahana haingana ny raharaham-pirenena.