DOMAINE: Haroso eny Tsimbazaza ny volavolan-dalana mahakasika ny boky rovitra.

Ho dinihina eny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny fivoriana ara-potoana amin’ny volana may 2017 ny volavolan-dalana mifehy ny politikan’ny  fananan-tany. Ao anatin’izany ny  boky rovitra.

Miantraika lalina amin’ny fiainan’ny taranaka aty aoriana tokoa ny fisian’ny “boky rovitra” amin’ny resaka fananan-tany. Betsaka ireo very fananana vokatry izany. Ny famolavolana lalana ihany no vahaolana ialana amin’izy ity. Anisan’izany ny lalana hampidirana ireo antontan-taratasy rehetra momban’ny fananan-tany ao anaty solosaina. Mitaky  fahaizana mampiasa ny teknolojia vaovao anefa izany. Nambaran’i Hasimpirenena RASOLOMAMPIONINA, Tale Jeneralin’ny sampandraharahan’ny  fananan-tany fa efa manomana paikady momban’ny boky rovitra ny Ministera voakasika. “Ny famadihana ireo « dossier » ho lasa nomerika no vain-dohan-draharaha mba hialana amin’ny boky rovitra”, hoy izy.

Tafiditra ao anatin’ny politika nasionalin’ny  fananan-tany  rahateo izany. Araka ny fanazavana hatrany, vinavinaina  amin’ity taona 2017 ity ny fanatanterahana io paikady io.