DR FIDY: Miteraka aretina ny tsy fanaovana famorana.

Ara-pahasalamana ny famoran-jaza. Anisany miaro amin’ny aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo ity fomba amam-panao ity. Nambaran’ny dokotera Fidy fa manangona loto ny tsitsy raha tsy esorina. Hatramin’ny sabotsy 08 jolay 2017, manao didim-poitra ny Clinique Fidy mandritra ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana.

Ivon-toeram-pampianarana miara-miasa akaiky amin’ny Clinique Fidy ny oniversite Image Appli. Raha  liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fitsaboana, afaka manome fanazavana bebe kokoa ity farany, eny amin’ny Lapan’ny Tanana ahitana  hetsika ny ho an’ny fahasalamana.