EDEMA: Loza mitatao ho an’ny toe-karena ny fiovaovan’ny toetra andro.

Miainga any an-tsekoly ny fampandrosoana maharitra. Ao anatin’izany ny fanabeazana ny mpianatra manoloana ny fiovaovan’ny toetra andro. “Ny fanabeazana ny ankizy dieny izao no ahafahana mampihena ny voka-dratsin’ny  fanapotehana ny tontolo iainana”, hoy i Jean Baptiste ANDRIANANDRASANA, Filohan’ny fikambanana EDEMA.

Ny mpanabe no afaka hampita  amin’izy ireo fa azo atao ny manova fihetsika mba hiarovana ny tontolo iainana. Miankina betsaka amin’ny fampandrosoana ho lovain-jafy mantsy   ny  fiovaovan’ny toetra andro ankehitriny ka tokony hitandrina dieny izao.

Ny  tetikasa fampiofanana ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly no fepetra voalohany ahafahana manatanteraka izany.