Fahatapahan-jiro: Vonona hidina an-dalambe ny mpanjifa raha tsy voavaha haingana.

Efa manomboka leom-boan’anana ny mpanjifan’ny Jiro sy Rano Malagasy manoloana ny delestazy tsy ankijanona. Mety hiafara amin’ny fidinana an-dalambe mihitsy izao raha mitohy satria efa alohalika ny ranom-bary. Nandritra ny fotoana nihaonan’ny mpanjifa ny JIRAMA sy ny fikambanana RNDC (Reseau National de Defense des Consommateurs) na Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa dia nametraka fitarainana avokoa ireo nanatrika izany. Tao ny nahazo faktioran’ny indroa tao anatin’ny iray volana, tao ny nitaraina fa nidangana avo roa heny ny vidin-jiro ary niafara tamin’ny hoe efa an-taonan’ny maro no nangataka fampidiran-jiro izay efa voaloa vola nefa mbola tsy tontosa izany hatramin’izao, ….

Fitarainana maro tsy voatanisa no nataon’ireo mpanjifa tamin’ny asabotsy teo. Manoloana izany, tsy hangina intsony ny Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa fa hanampy ny mpanjifa hitaky ny zony. Nambaran’ny filohan’ny RNDC, Rabenitsara Ralita, mihitsy aza fa mitaky fihaonana amin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA izy ireo ary raha tsy misy ny marimaritra iraisana dia mety hitaky ny zony eny an-dalambe izy ireo.

Marihina fa hisy indray ny fihaonana miaraka amin’ireo manana olana amin’ny resaka jiro na hafa manodidina ny zon’ny fanjifana amin’ny sabotsy izao eny Antanimbarinandriana.

Lynda A.