Tampoka tamin’ny rehetra ny fanapahan-kevitry ny Lehiben’ny governemanta, Jean RAVELONARIVO mahakasika ny fametraha-pialany. Andro vitsy lasa izay dia nanambara ny tenany fa tsy hametra-pialana izany izy fa ny lalam-panorenana no nametraka azy teo. Ankehitriny anefa nanao fanambarana indray ny Sekretera Jeneralin’ny Filoham-pirenena fa nametra-pialana izy ary nanaiky izany ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Ora vitsy taorian’io fanambarana ofisialy io anefa dia nilaza indry ny “Praiminisitra” fa tsy nanao izany.
Raha nametra-pialana tsy ho Praiministra intsony ny tenany dia mitodika eny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena indray ny mason’ny vahoaka satria ireo solombavambahoaka indray no manolotra izay ho solony saingy ny Filoham-pirenena kosa no tompon-teny farany, araka ny lalam-panorenana laharana faha- 54.
Naneho ny heviny ireo solombavambahoaka sasantsany mahakasika io fametraha-pialana io. “Fihetsika feno fahendrena no nataon’ny Praiministra, Jean RAVELONARIVO ary midika fa mikatsaka ny tombon-tsoan’ny vahoaka izany”, raha fehezina ny teny izay nambaran’izy ireo. Nankasitraka ny fametraha-pialany mihitsy izy ireo.