FANABEAZANA ARA-PANANAHANA FENO: Manana anjara toerana lehibe ny haino vaky jery aman-tranokala

Mbola sarotra ho an’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny Malagasy ny miresaka ny  fananahana amin’ny zanany ao an-tokantrano. “Efa tsy afaka manao fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana eny an-tsekoly  rahateo ny firaisamonim-pirenena  ka  tsapa fa vitsy ny fahalalan’ny tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana noho ny tsy fampitana vaovao sy fampitana lalindalina kokoa eny anivony sekoly  momba ny fananahana”, araka ny fanazavan’i Raveloarinanja Dominique, mpanorina ny fikambanana misehatra amin’ny fanabeazana, ny  fanabeazana  olom-pirenena  ary ny tontolo iainana (ECCE), sady mpikambana ao amin’ny Firaisamonim-pirenena Forum  Génération Egalité (FGE). Antony  lehibe mahatonga ny vohoka aloha loatra  anefa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana feno  (ECS).   Manana  anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana  ara-pananahana ny haino vaky jery aman-tranokala ka  nikarakara fampiofanana  ho an’ny mpanao gazety  momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana ny  sampana misahana ny  zo sy fahasalamana ara-pananahana (SDSR)  ao amin’ny FGE,  ny 28 ka hatramin’ny 30 oktobra 2024, tany Antsirabe ho fanomezana antontam-baovao momba fahasalamana ara-pananahana  sy  fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety amin’ny fampitana izany. Mpanao gazety 20 mahery mpikambana ao amin’ny Tambazotran’ny haino vaky jery eto Afrika mikirakira vaovao momba ny fahasalamana sy tontolo iainana (REMAPSEN), sampana Madagasikara,  vondrona DSSR no nisitraka izany.

Tokony ampidirina tsy misy fepetra any an-tsekoly

Ao anatin’ireo firenena 13  voalohany manana taha ambony amin’ny vohoka aloha loatra i Madagasikara, araka ny fanasokajian’ny  World Atlas ny taona 2015. Raha misy vehivavy 1000 mitondra vohoka dia tovovavy  eo anelanelan’ny  15 ka hatramin’ny 19 taona ny 163 amin’ireo, raha fanadihadiana  fanarahamaso ny « Objectif Millénaire  pour le Développement » na OMD ny taona 2012-2013.  “Izany indrindra  no tokony ampidirana  tsy misy fepetra ny fanabeazana ara-pananahana  feno eny anivon’ny sekoly”, hoy  i Raveloarinanja Dominique,  mpikambana ao amin’ny  FGE. Ampianarina ao anatin’ny ECS ny fomba “ABCDE” na tsy fanaovana na “abstinence” (A), ny  fanajana ny olontiana na tsy fampirafesana na “bonne fidélité” (B),  ny fampiasana kapaoty na condom (C), ny fitiliana na dépistage (D) ary ny fanabeazana na éducation (E). Namoaka naoty anefa ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena , ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG) fa voarara ny manoro  ny fomba fampiasana ny fanabeazana aizana eny anivon’ny sekoly, ao anatin’izany ny kapaoty. Ny tsy fanaovana  na  “abstinence” no tokony vohizina ao anatin’ny fanabeazana ara-pananahana raha ny lalan-tsaina vohizin’ny ministera.  “Miha mitombo ny tanora manaonao foana  noho ny tsy fahalalana sy voafetra ny fahazoany  fahalalana. Tsapa fa mitombo amin’ny ankapobeny, raha  eny  anivon’ny lisea ny  fialana an-daharana an-tsekoly noho antony fitondrana vohoka”, hoy i Raveloarinanja Dominique.  Raha misy zatovovavy 10  ohatra dia  1 na 2 no  mitsoaka an-daharana vohoka aloha loatra sy vohoka tsy niriana ary ny tsy faneken’ny sekoly handray azy intsony”, araka ny fanazavany.

Lynda A.