FARITRA 22: Hiaraka hiainga ny faritra 22.

“Amin’ny ankapobeny, niakatra 40% ny fidiram-bola eny ifotony ho an’ny  faritra 22”.  Na dia eo aza izany, misy faritra mbola marefo ny toe-karena ao aminy. Ho fanampiana azy ireo indrindra no antony nivorian’ireo Lehiben’ny Faritra 22. Nifanakalo hevitra izy ireo ho fanatsarana ny fitantanana ny faritra tsirairay avy. Nodinihina tao anatin’ny fivorian’izy ireo, omaly 28 jona 2017, ny fomba ahafahana mampandroso ny faritra manerana an’i Madagasikara. Nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ndrantonomena RAKOTONANAHARY fa tokony hiara-hiainga ny faritra 22 ary hifanakaikikaiky ny fomba fitantanana.

 Ankoatra ny fifampizarana traikefa, “paika ady azo hampandrosoana ny toe-karen’ny faritra  iray ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny faritra hafa”, hoy ny Lehiben’ny faritra Menabe, Gilbert Romain.

Mbola hitohy ny fihaonan’ireo Lehiben’ny faritra ka any Mahajanga indray no hanaovana izany, ny volana aogositra ho avy izao.