FETIM-PIRENENA 2017: Niaiky ny Filoham-pirenena fa ao anatin’ny fahantrana lalina ny 80% ny Malagasy.

“Ampy izay ny fahantran’ny vahoaka”, hoy ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA nandritra ny lahateniny  teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa  tafalatsaka ao anatin’ny fahantrana lalina ny 80% ny Malagasy. “Ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny fari-piainan’ny tsirairay no ahafahana manarina izany”, hoy hatrany izy.

Mahatsapa ihany koa ny tenany fa tsy mari-toerana ny fitondrana entiny. Na dia eo aza izany, noventesiny tao anatin’ny kabariny fa tokony hampahery ny asa vitan’ny fitondram-panjakana tao anatin’izay telo taona izay.

Fanamby ho an’ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny fisandratana mirindra. Izany indrindra no nampisalorana ny fankalazana ny faha-57 niverenan’ny  fiandrianam-pirenena Malagasy  ny lohahevitra hoe: “mamiko ny taniko, fisandratana no fanambiko”.