FETIN’NY MOZIKA: Mivoatra hatrany ny zava-maneno vita gasy

Fandaharam-potoana maro sy isan-karazany no hanamarihana ny fetin’ny mozika mandritra ity herinandro ity. Ho tohiny ny hetsika natao teo aloha dia manolo-tanana amin’ny fanampiana tosika ireo mpisehatra amin’ny mozika ny Alliance française Antananarivo. Mpamokatra zava-maneno am-polony  no mampiranty ireo  sangan’asany eny amin’ny  efitrano malalaky ny Alliance française Andavamamba. Anisan’ny mpandray anjara i Tiana Rainitelo, Zamba, Monja , Manintsindava, Ragasy, André Rakotorahalahy, Sarandra Beloba, Tony Zà, Remby, Rapasy, Ratovo ary  Daniel Marovangy.

 Nanomboka androany 17 jona ary tsy hifarana raha tsy ny 22 jona 2019 ny fampirantiana. Ankoatra ireo zava-maneno nenti-paharazana dia hita sy azo jifaina eny an-toerana ihany koa ireo  zava-maneno vita  avy amin’ny fitrandrahana akora hafa toy ny kapoaka, “résistance” fatana sy ny maro tsy voatanisa. Manentana ny mpankafy mozika sy ireo liana te hianatra mozika  ho avy hitsidika ny fampirantiana ny Tale Jeneraly lefitry ny Alliance française, Duprey Rindra nandritra ny fanokafana  tamin’ny fomba ofisialy, ny marainan’ny 17 jona 2019.

Lynda A.