Fiahiana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpiasa: Mbola marefo eto Madagasikara

Efa lalana velona eto  amintsika ny lalana mahakasika ny fiahiana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpiasa. Indrisy anefa fa mbola maro ny orinasa tsy mampihatra izany. Ankoatra izany, tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny lalana mifandraika amin’izany, hoy ny tompon’andraikitrin’ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny mpiasa Christian NTSAY. « Ho fanatsarana ny lalana anatiny dia tokony hanaraka izany isika », hoy hatrany ity farany. Tokony ankatoavin’ny governemanta izany satria misy tombony ho an’ireo mpitsirika ny asa. Marihina fa notontosaina ny 28 Aprily teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana sy fiarovana nt mpiasa teny amin’ny Minisiteran’ny asam-panjakana sy ny ada sosialy. Ho fametrahana amin’ny toerana ny fiahiana ny fahasalamana sy fiarovana ny mpiasa no antony ny fankalazana. Nandray anjara  tamin’ny alalan’ny fampiratiana ihany koa ireo rantsa-mangaika misahana ny fiahiana ireo mpiasa. toy ny CNAPS, BIT, AMIT ary ny minisitera voakasika.

Nambaran’ny tale jeneraly ny minisitera TANDRA Hyacinth Hermann ihany koa fa tokony hisy ny fifampiresahana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa mba hisian’ny firindrana eo anivon’ny orinasa. « Efa midina eny ifotony ny tompon’andraikitra izay tarihin’ny minisitra manaramaso akaiky ny toeram-piasana. Hanamafisiana ny fiahiana ny mpiasa moa no antony izany », hoy izy.
Lynda A.