Fiangonana TaJeKri : Hotohizana ny alatsinainin’ny Paska ny fotoam-piderana

Ny Paska dia fotoam-piderana manokana raha efa midera an’i Jesosy isan’andro mandavantaona. Fa ny alahadin’ny Paska kosa dia miavaka io fiderana io satria misy ny fikarakarana ny mofo tsy masirasira.

Entina ilazana fa tokony esorina izay masirasira eo amin’ny fiainana fa hihavao. Ilaina fanomanam-panahy izany fiatrehana ny fetin’ny Paska. Ny Paska tokoa dia androm-panafahana andro firavoravoana. Fanao isan-taona izany. « Tsy misy fandaharana manokana mampiavaka ny Paska 2017 eo anivon’ny fiangonana TaJeKri na TAfik’i JEsosy KRItsy » hoy ny Pasitora Fidy Bariniaina izay mpiandraikitra iray ao anatin’ny birao mpitantana izany fiangonana mijoro eto Madagasikara izany. Ny fankalazana ny alahadin’ny Paska no tsy misy mampiavaka azy fa ny fankalazana ny Paska 2017 kosa dia hiavaka satria isaky ny sampana dia tohizana ny alatsinain’ny Paska ny fiderana sy ny firavoravoana ao am-piangonana. Tsy mivoaka mandeha mpitsangantsangana ny fiangonana TaJeKri fa midera an’i Jesosy ao ampiangonana ho mariky ny fisaorana sy fandraisana an’ilay fanekena ny fandatsahan-drà nataon’i Jesosy Kristy. Tsisy mpanakanto nasaina manokana akory any amin’ny sampana any fa ny hery velona ao no manafana ny fotoana. « Ny TaJeKri dia efa nijoro nanomboka ny taona 2000 ary tsy manao fampilazana manokana amin’ny haino aman-jery. Efa misandrahaka amin’ny toerana maro manerana ny Nosy ity Fiangonana ity » hoy Pasitora Fidy Bariniaina.