FIER MADA 2024 : Manoro ny tantsaha ny fomba fambolena iatrehana fiovan’ny toetrandro ny GSDM

Olana ho an’ny tantsaha ny fahasimban’ny tany ambolena. Mampahafantatra sy manoro ny  fomba hamahana izany ny GSDM mandritra ny FIER MADA, andiany faha-25, nanomboka ny 7 aogositra ka hatramin’ny 11 aogositra 2024, eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka. Fomba iray hamerenana ny tsiron’ny tany, hahatonga ny tany ho lonaka foana  ny “agroécologie” na fambolena maharitra. Fitambarana teknikam-pambolena  ahafahana miatrika ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro noho izany ny AE. Teknika iray ao anatiny ohatra ny fampiasana voly rakotra na fambolena zavamaitso mamerina ny tsiron’ny tany na mampalonaka ny tany, toy ny mucuna, stylosanthes…Mampiranty sy mivarotra ireo karazana  zavamaitso fatao voly rakotra  ireo sy masomboly nohatsaraina (vary, katsaka) ny GSDM mandritra ny tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono sy ny vokatra azo avy aminy. Tsy vitan’izany fa nanafatra tantsaha sy teknisianina ihany koa ny fikambanana, hizara traikefa sy hanoro ny mpitsidika ny teknikam-pambolena maharitra. “Miaina ny tany dia mila karakaraina. Ny agriculture conventionnelle dia mitrandraka  fa tsy mamerina tsiron’ny tany  fa ny agroécologie kosa mitrandraka nefa mikajy.  Lonaka foana ny tany ary mitombo ny vokatra rehefa lonaka ny tany. Rehefa mitombo ny vokatra dia mitombo ny  sakafo hohanina, mitombo fari-piainan’ny Malagasy, mirindra ny tolotra sy tinady , mirindra ny sosialy sy ny toekarena”, hoy i Razaka Mireille, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny GSDM manazava ny tombontsoa amin’ny fampiasana ny AE.

Lohahevitra vohizina mandritra ny FIER MADA, andiany faha-25 ny “toekarena ambanivohitra miroborobo : arovan’ny fanjakana amin’ny loza rehetra mihatra , asa famokarana”. Manao antso avo amin’ny fanjakana ny GSDM,  20 taona mahery niseharana tamin’ny fomba fambolena maharitra, mba tena handray fepetra azo tsapain-tanana hampiroboroboana sy hanapariahana ny “agroécologie” manerana an’i Madagasikara fa “tsy ho soratsoratana anaty politikam-panjakana fotsiny”. “Andry ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny fambolena. Mila ampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro ny sehatry ny fambolena. Adisisika sy angatahinay ny fanohanan’ny fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny agroécologie manerana ny Nosy. Efa maro ny mpisehatra samy manaparitaka izany any amin’ny faritra iasany fa tsy mbola ampy izany. Andao asiana paikadim-pirenena mba ahafahana mampihatra azy. Ohatra, atao baiko midina na lalàna fa mila mampiasa ny teknika ohatran’izao ny tantsaha rehetra manerana an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny tomponandraikitry ny seraseran’ny GSDM manaitra ny sain’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny manam-pahefana.

Lynda A.