Fikambanan’ny Diaf Marindrano: Ho arahinao ao amin’ny fahitalavitra Tntv ny fandaharana Marindrano.

Hanomboka ny Asabotsy 06 jona amin’ny 08 ora sy sasany ny fandaharana Marindrano vokarin’ny fikambanana Diaf Marindrano. Isaky ny alahady amin’ny 07 maraina kosa ny famerenana ny fandaharana. Ao amin’ny fahitalavitra Tntv no hanarahina izany. « Entina hitaomana ny tanora hitia sy hankafy tenin’Andriamanitra no tanjon’ity fandaharana ity », hoy ny mpandrindra sady filohan’ ny fikambanana Hanitra RAHOLIARIMALALA. Ho hita ao anatin’izany ny fanadihadiana, famoronana isan-karazany, hira, tantara kely, sary samihafa,… Fomba iray azo hanaparitahana ny filazantsara ny haino aman-jery ka izany indrindra no nahatonga ny fikambanana namokatra ity fandaharana ity

Marihina fa tanora manodidina ny 40 eo no mandrafitra ny fikambanana amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 2012 no niforona ary na dia miompana amin’ny fitaizana ara-panahy aza dia tsy miankina amina antokom-pivavahana. Araka ny fanazavana azo, tsy manao politika ihany koa izy ireo.

Lynda A.