Voalohany amin’izao ny fitsidihan’ny filohan’ny delegasiona ny Tananan’Antananarivo vaovao ny kaominina Isoavimasoandro , Ramiaramanana Joseph. Amin’izao ankatoky ny asaramanitra sy vanim-potoanan’ny ririnina izao dia tonga nanolotra akanjo mafana sy bodofotsy an’ireo zokiolona miisa 375 ity farany niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Ireo zokiolona avy ao amin’ny fikambanan’ny Zokiolona Isoavimasoandro na « Asssociation Zokiolona Isoavimasoandro ( AZOI) no nahazo izany.
Fikambanana iray niforona tamin’ny taona 2005 ny AZOI ary eo amin’ny 400 eo ny mpikambana ao anatiny. Tamin’ny taona 2008 kosa dia nangataka fanampiana tamin’ny ambasady alemana sy ny fari-piadidian’ny Tananan’Antananarivo ny fikambanana ka nanangana foibe toerana iray. Tranobe Tafasiry no anaran’izany ary natao ho ambohi-pihaonan’ireo beantitra eny Isoavimasoandro. Marihina fa ireo efa misotro ronono na mihoatra ny 60 taona no ao amin’ny fikambanana. Mbola vitsy ny tanana misy toerana ahafahan’ireo zokiolona mifanerasera sy mifampitaiza tahaka itony eto Madagasikara. « Tsy mionona amin’ny maha marefo sy tsy afaka miasa anefa ireo zokiolona ireo », hoy ny filohan’ny fikambanana, Ranaivomanana Martin. Miezaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanana misy azy ihany koa izy ireo. Ohatra mivaingana amin’izany fanamboarana toerana fanaovana fanatanjahantena ao Imamba. Tamin’ny alalan’ny fikambanana no nahavitana izany. Ankoatra izany, nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa lalan-kely ihany koa izy ireo.
Vonona hiara-hiasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatrany ny AZOI, hoy hatrany ny filohany. Ankoatra izany, notontosaina androany ny fampahafantarana ny fifaninana fanadiovana ny tanana teny amin’ny boriborintany faha enina. Hetsika karakarain’ny kaominina ihany koa izy ity. ary boriborintany enina eto amin’ny tananan’Antananarivo Renivohitra no mandray anjara amin’izany. Miara-miasa amin’ny Rafitra Fanadiovana sy Fidiovana ireo fokontany miisa 192. Ny fanalana ny lobolobo, fanadiovana ny lalan-kely ary ny tatatra no atao amin’izany. Marihina fa amin’ny faha 25 jona ho avy izao no hozaraina ny loka amin’ny fifaninana.
Lynda A.