FOKONTANY AMBANIALA ITAOSY: Mponina 35.000 no hisitraka ny CSBII vaovao.

Nitombo iray indray ny tobim-pahasalamana natao ho an’ny daholobe ao amin’ny kaominina Andranonahoatra. Vokatry ny fitadiavana mpiara- miombona antoka nataon’ny kaominina, vita hatramin’ny farany ny CSBII izay miorina ao amin’ny fokontany Ambaniala. “Ny vondrona Eropeanina sy ny fikambanana Lions Club Ilohasina no nanampy ny kaominina tamin’ny famitana ny foto-drafitra asa”, hoy i Hajatiana RASAMISON, Ben’ny Tanana ny kaominina Andranonahoatra.

Zava-dehibe ho an’ny mponina manodidina an’ity toeram-pitsaboana vaovao ity ny fisian’ny CSBII satria voatery mandeha alavitra izy ireo teo aloha raha hamonjy tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana. “Toeram-pitsaboana faharoa ao amin’ny kaominina mantsy izy ity”, hoy ny tomponandraikitra voalohany ny CSBII, Ambaniala, Odon RAZAFINDRAKOTO.

Entina hanasoavana ny mpiara-belona no nahatonga ny fikambanana Lions Club Ilohasina. Noho izany, maimaim-poana ny sarany fitsaboana ao amin’ny CSBII afa-tsy ny fanafody ihany no vidian’ny marary.