FORCES DE CHANGEMENT: Tsy nanaiky hatramin’ny farany ny Prefet.

Tsy tanteraka ny hetsika famoriam-bahoaka nokasain’ny Forces de Changement ho tanterahina omaly.  Tamin’ny ora farany, nanda ny tsy hanaovana izany ny teo anivon’ny Prefektiora. Vao naharay izany fanapahan-kevitra izany ny mpikarakara ny hetsika, nanatitra ny taratasy fangatahana fandravana ny didy (sursis à exécution )  teny amin’ny tribonaly ifanaovana amin’ny fanjakana.

Niezaka nitady fifampiresahana mivantana tamin’ny ny Prefet ny solon-tenan’ny Forces de Changement izay notarihin’i Maharavo RATOLOJANAHARY (Doudou) fa tsy tontosa izany.

Anio 23 aogositra 2017, amin’ny 09 ora sasany no hiakatra fitsarana ity raharaha ity.