Fandaminana. Ny tomponandraikitra ao amin’ny Gare routière Maki Andohatapenaka dia mampahafantatra ny mpanjifa syny mpitatitra fa amin’ny 03 ora sy sasany tolakandro ny fara-fiaingana ny sabotsy 11 janoary 2020. “Amin’io fotoana io ihany fa ny alahady dia efa miverina amin’ny laoniny toy ny mahazatra”, hoy ny tale jeneraly lefitry ny MaquAuto, mpitantana ny Gare routière Maki, Ranaivoson Fidy Voakasik’ity fandaminana ity ireo koperativa mampiasa ny lalana: RN1, RN2, RN4, RN5 ary ny RN6. Nambarany fa tsy miova ora an’ny fiaingana any amin’ny faritra fa efa misy ny fandaminana ny toerana hiantsonan’ireo fiara avy any. Araka ny fanazavany hatrany dia noho ny fifampiarahabana nahatratry ny taona iarahan’ny mpandraharaha rehetra ao amin’ny toby fiantsonana no antony izao fanambarana izao.
Lynda A.