GRANDE BRADERIE: Fotoana malalaka hitsidihana ny hetsika rahampitso.

Manana fotoana malalaka tsara hitsidihana ny hetsika ara-barotra “Grande Braderie” ny mponina Antananarivo rahampitso noho izy andro tsy fiasana.  Karazan’entana maro no azo jifaina eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina hatramin’ny alahady 28 May 2017. “Hita ety avokoa ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny kojakojan-dakozia, akanjo mafana izay tena ilaina amin’izao vaninandro ririnina izao sy ny maro hafa”, hoy i Harilala RAMANANTSOA, Mpikarakara.

15 % no miakatra ny fihenam-bidin’ireo entana. Amin’izao fetin’ny reny izao dia afaka misafidy tsara  izay tiany  ny mpianakavy  atao fanomezana ho an’i Neny.

Marihina fa manana tolotra manokana ho an’ny mpitsidika ny “Grande Braderie” ihany koa ireo  orinasa mpanohana ny hetsika.