Hain-tany any Atsimo : Atao fangataham-bola

4000 ariary ny iray « bidon » an’ny rano any amin’ny faritra Androy amin’izao fotoana izao. Mbola mandeha 10 ka 60 kilometatra vao mahita toerana hangalana rano. Repoblika efatra izany no nifandimby teto Madagasikara, mbola tsy voavaha ny olan’ny rano any Atsimo. « Misy ny rano fa ny tomponandraikitra mahefa no tsy manao ny asany. Raha nanana fitaovana ahafahana nandavaka lalina ahazoana rano ny mponina efa nataony izany », hoy ny zanak’Androy Kalimahazo.

Tetikasa maro izay nahazoana famatsiam-bola ho an’ny faritra Atsimo izay fa tsy nahavaha ny olan’ny rano. Nankaiza avokoa ny vola azo tamin’izany ? Tsy hahafoana ny kere  ny fanomezana ny mponina sakafo ambifotsy. Ireo orinasa vahiny mpanodina izany eto an-toerana no tena mahazo tombony amin’ny famatsiam-bola.  Raha io rano io no voavaha, ho foana ny kere. Afaka mamboly ny mponina mba iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tokony ny fanamboarana fantsona mitarika rano (pipeline) no imasoana raha hitady famatsiam-bola ihany.

Lynda A.