Ny fitiavana handray andraikitra feno amin’ny mponina sy ny tanàna no nahatonga an’i Harilala Madavision eo amin’ny laharana N°2 hirotsaka amin’izao fifidianana Ben’ny tanàna izao.
Manana paikady mazava izy.Eo aloha ny fandresen-dahatra amin’ny alalan’ny programa. Aminy, ny fitantanana ny tanàna dia fandaharan’ asa tsotra sy mazava, mba tsy ho voafitaka ny mponina. Paik’ady azo tanterahina tsara ao anatin’ny fotoana fohy, tsy mila famatsiam-bola, ny an’i Harilala Madavision N°2. Tsy miolakolaka ny fanatanterahana azy ary ao anatin’ny mangarahara tanteraka. Efa zatra nitantana izy nandritra ny taona maro ka tsy hananosarotra azy ny hitantanana an’Antananarivo. Nianarany rahateo ny momba izany ary efa nihofana manokana momba ny fitantanana tanàna izy talohan’izao firotsahany fidiana ho Ben’ny tanàna izao.
Olom-baovao izy. Tsy mbola nanao politika ary tsy miankina amin’ny antoko politika
Manana hevitra vaovao tsy mirona amin’ny politika politisiana.
Mitaona ny olona hifidy.Tsy afaka hampihatra ireo fandaharan’ asa mandresy lahatra anao i Harilala raha toa ka tsy tonga mifidy ianao. Zo sy adidy amin’ny maha olom-pirenena ny fandehanana mifidy. Olom-pirenena ianao ka fifidianana tena akaiky anao ity tanterahina ity. Tsy mahafatiantoka ny mandeha mifidy. Ny 30 minitra handehananao mifidy no miantoka ny 4 taona ho avy ho an’ny fiainanao sy ny taranakao ary ny tanànan’Antananarivo. Aza ankinina amin’ny hafa ny hoavinao fa ny vatonao no ilaina ; mariky ny fandraisana andraikitra ny amin’ny ho avinao izay vato arotsakao. Ialao ny tsy fandehanana mifidy. Andao hifidy!
Manana tetika tsy andaniana vola be nefa mahomby. Hatramin’izay dia fifalian’ny olona ny manao fampielezan-kevitra satria betsaka ny tia sehoseho ho mahavita azy noho ny fananany vola be eo am-pelatanany. Tsy ny fahavorian’ny olona maro no midika fandresena fa ny fahaiza- mandresy lahatra ny olona amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny tetik’ asa ihany. Tsy mbola nangataka hanao famoriam-bahoaka tany amin’ny Kaomina sy ny prefektiora akory izy hatramin’izao. Tsy nanao sono mobile mihogahoga manerana ny tanàna ihany koa. Tsotra ny zavatra nataony dia ny midina mitety tokantrano, miaina sady mahatsapa ny maharary ny mponina, amin’ny maha olona sy eo anivon’ny fiaraha-monina. Manakaiky ny vahoaka hatrany. “Teny ierana ny fomba fiasa”, “ny olona aloha vao fotodrafitrasa”.