“Hitaona sy hampianatra ny Malagasy hitia kolotsainy”. Io no tarigetra napetrakin’ny fikambanana HAVOZOMI. 15 oktobra 2006 – 15 oktobra 2016, feno folo taona ankehitriny ny fikambanana. Nivoy hatrany ny teny filamatra: “Izay mahafehy teny, mahafehy tena”, ity farany ka tamin’ny alalan’ny fampianarana ny kabary sy fandalinana ny tantara sy fomba ary ny kolotsaina Malagasy no nanatanterahany izany. “Ho an’ny taranja kabary manokana izao dia efa 4000 ny mpikabary navoakan’ny HAVOZOMI”, hoy i Lantoharitsima RAKOTOZAFY, Filohan’ny fikambanana.
Nandray anjara tamin’ny fanasoavana ny tanindrazana ihany koa ny HAVOZOMI. Anisan’izany ny fambolen-kazo.
Manana vina handrakotra ny faritra 22 amin’ny fampianarana sy fandalinana ny kabary fa indrindra ny kolotsaina Malagasy ny HAVOZOMI.