HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA: Mety ho voa rehefa niroso tamin’ny firaisana ara-nofo na indray mandeha monja aza

Efa tara rehefa misy fambara ety ivelany. Nitondra marary tao amin’ny CSBII Ambalavato Antsirabe i Saholy Celestine, ny alarobia 30 oktobra 2024, tamin’ny 3 ora tolakandro. Nanatona azy ny rasazy iray manao aron’akanjo manga ary nanentana azy mba hanao fitiliana satria azo tsaboina tsara ity aretina mpahazo ny vehivavy ity raha voatily mialoha sy voaray an-tanana mialoha. Tsy nisalasala izy fa tonga dia niroso tamin’ny fitiliana. Nikarakara fitiliana maimaim-poana momba  homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza  sy nono rahateo CSBII Ambalavato tamin’io fotoana io ho fanamarihana  ny “oktobra mavokely”, hetsika iraisam-pirenena fanao isan-taona hanentanana ny vehivavy  hanao fitiliana momba ny homamiadan’ny nono.  Roa andro no nanaovana izany, nanomboka ny  29 oktobra ary nifarana ny  30 oktobra 2024. Nanampy tamin’ny fanatanterahana izany  ny Marie Stopes Madagascar (MSM).   “Nirisika hanao fitiliana aho mba ijereko ny toe-pahasalamako satria aretina mpahazo ny vehivavy rehetra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza”, hoy  i Saholy Celestine, 44 taona.  Iray minitra aorian’ny fitiliana dia fantatra ny valiny. Anisan’ireo tobim-pitsaboana fototra  mandray an-tanana ireo  vehivavy mitondra ratra ao anatin’ny vozon’ny tranon-jaza mety ahiana hivadika homamiadana ny CSBII Ambalavato. “ Hita fa  efa liana kokoa ny vehivavy hanao fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Hita fa mavitrika  kokoa raha eto amin’ity tobim-pahasalamana ity  satria eto sady  misy ny fitiliana sy fandraisana an-tanana  ireo olona ahiahiana ho mitondra ratra mety ahiana hivadika homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.”, hoy  i Ravelojaona Mbolamasoandro, tomponandraikitra manao fitiliana ny homamiadianan’ny  vozon’ny tranon-jaza sy tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka manazava  ny fahavitrihan’ny vehivavy manao fitiliana momba ity aretina ity, raha eo amin’ny sehatra nasionaly sy ny zavamisy ao amin’ny CSBII Ambalavato.

Nambaran’i Ravelojaona Mbolamasoandro fa mpahazo  ny vehivavy rehetra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. “Izay vehivavy rehetra niroso  tamin’ny firaisana ara-nofo na indray mandeha  monja teo amin’ny androm-piainana dia ahiana hitondra ny aretina ka tokony hanao fitiliana”, hoy izy. Nilaza izy fa “taloha  ny ministera nametraka fa eo amin’ny   25 ka hatramin’ny 49 taona  no  tsara tiliana ny vehivavy  satria eo matetika no tonga any amin’ny  homamiadana”.  “Efa  miroso aloha be izany amin’izao satria efa mahita hatrany amin’ny 17 taona. Noho izany vao manomboka manao firaisana ny vehivavy dia tsara manao fitiliana”, hoy izy. Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, avy amin’ny tsimokaretina “papillomavirus”(HPV), ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, araka ny fanazavany. Ny fitiliana ihany no ahafantarana fa mitondra azy ny vehivavy iray. “Tsy hita soritra ety ivelany fa misoko mangina. Tsy misy fambara fa matoa izy misy fambara  dia efa tara. Iny olona salama tsara iny mety ahiana mitondra dia aleo misoroka satria azo sorohana tsara ary rehefa hita mialoha dia azo tsaboina”, araka  ny fanazavan’ny tomponandraikitra manao fitiliana homamiadianan’ny  vozon’ny tranon-jaza hatrany.  Marihina fa mamono vehivavy betsaka  indrindra eto Madagasikara  ny  homamiadan’ny nono  sy ny  vozon’ny tranon-jaza. Mitana ny laharana voalohany ny  homamiadan’ny nono, aorian’izay ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.  Raha tarehimarika tamin’ny taona 2018, tombanana  ho 7 % amin’ireo vehivavy 100 atao fitiliana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, mandritra ny hetsika oktobra mavokely no voa, amin’ny ankapobeny.

Lynda A.