ISGIE: Sehatr’asa mbola malalaka ny fitantanana ny tontolo iainana.

Ifampitadiavana eo amin’ny  tsenan’ny  asa  ireo manana diplaoma momban’ny fitantanana ny tontolo iainana.  Lalam-piofanana mampianatra ny  fikajiana  ny tontolo iainana rehefa misy tetikasa iray  izy ity. Ohatra amin’izany  ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany izay miroborobo fatratra eto Madagasikara. Mialoha ny fitrandrahana dia tsy maintsy mila manam-pahaizana momban’ny tontolo iainana ny tompon’ny tetikasa mba hiarovana ireo zava-maniry sy biby  na hafa manodidina ny toerana hitrandrahana. Anisany mampiofana ireo mpianatra liana amin’ity asa ity ny  ivom-pampianarana ambony  ISGIE na « Institut  Supérieur de Géologie de l’Ingénieur et de l’Environnement ».

Ny 31 may 2017 ny fidirana manaraka ho an’ny taona voalohany. Eny amin’ny biraon’ny ISGIE Ankadivato ny toerana fisoratana anarana.

Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ISGIE, Fidiniavo RAVOKATRA fa mampiavaka ny sekoly ny fanomezana “stage” ho an’ny mpianatra  isaky ny mifarana ny taom-pianarana.