Isan-taona ny Oniversite ISPM na « Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar » Antsobolo dia mikarakara hetsika fampiratiana mahakasika ny vokam-pikarohan’ireo mpianatra ao aminy. Taorian’ny sivana natao nandritra ny varavarana misokatra teny amin’ny ivon-toerana ISPM farany teo, 350 fikarohana no naranty tao amin’ny Hotel Carlton Anosy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana manomboka any amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy ny fikarohana ary tsy maintsy ataon’ny mpianatra rehetra. « Fampiharana ny lesona sy ny traikefan’ny mpianatra no tanjona amin’izany », hoy ny Talen’ny ISPM, Aimé Razafindrahety.
Roapolo taona izao no nisian’ny ISPM ka efa mahatratra any amin’ny 4000 any ny manam-pahazaina nivoaka tao.
Mizara roa mazava tsara ny fizotran’ny fampianarana ao aminy. Ny telo taona voalohany dia mahazo ny mari-pahaizana Licence ny mpianatra ary tsy maintsy manatanteraka stage avy eo. Master kosa no azo raha mbola te hanohy ny roa taona manaraka.
Amin’ ny alalan’ ny fanadinana fitsapam-pahaizana no idirana ao amin’ ny Oniversite iray ity ka amin’ ny faran’ny volana Oktobra ho avy izao no hanatanterahina izany. Ny faran’ ny volana Novambra kosa ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao.