Hetsika efa fanaon’ny Oniversite ISPM ny manasa tomponandraikitra na tompona orinasa amin’ny sehatra rehetra izay mifanaraka amin’ny lalam-piofanana rantovin’ny mpianatra. Tanjona ao anatin’izany ny fizarana traikefa sy ireo dingana nolalovana ka lasa tompona orinasa matanjaka. Amin’ny maha mpandraharaha sangany an-dRamatoa Bakoly RAZAKANAVALONA, Mpitantana ny orinasa Manda SA, nasain’ny mpianatry ny sampam-pampianarana “Biothèque” ny tenany.
Nandritra ny ora roa, nitantara ny lalana nizorany tamin’ireo mpianatra izy. Niainga tamin’ny tsy nisy kanefa tonga vehivavy mpandraharaha mikirakira ny hazandranomasin’i Madagasikara manana ny lazany na eto amin’ny tsena anatiny na iraisam-pirenena i Bakoly RAZAKANAVALONA.
Raha ny famatsiana ny hazandranomasina teto amin’ny tsena anatiny no niandohan’i Manda SA, nivelatra tamin’ny fanondrana izany. Taona maromaro taty aoriana, ny fanodinana ireo voka-dranomasina ho lasa sakafo indray no tetikasa nampiroboroboana ny orinasa.
Toro-hevitra nomen’ny mpianatra ny fifehezana ny sehatra iray handraharahana. Nambarany fa rehefa tiana handroso ny orinasa tantanana, mila mikaroka ny fomba rehetra hampiodinana azy ary tsy miala amin’ny vokatra ampiasaina. Eo ihany koa ny famaliana ny filan’ny mpanjifa.
Fomba iray ahafahan’ny mpianatra miatrika ny tontolon’ny asa ny fanomezana toro-lalana ho azy ireo.