KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Tsy matahotra fitsirihana.

“40 miliara Ariary ny trosa baben’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra  izay navelan’ny fitondrana tetezamita”. Noho izany, raha tiana ny hanaovana fitsirihana ny fitantanam-bolan’ny kaominina dia tokony ho jerena hatrany amin’io vanim-potoana io. Nambaran’ny Lefitra faharoa an’ny Ben’ny Tanana, Julien ANDRIAMORASATA fa tsy matahotra fitsirihana ny kaominina raha ho tanterahina izany.

Ankoatra izany, nisy ny filazana fa efa voavidy ny fiara ho an’ny Ben’ny Tanana Lalao RAVALOMANANA. “Tsy marina anefa izany”, hoy izy. Araka ny fanazavany, efa fanapaha-kevitra tapaka fa hividianana fiara manokana ny Ben’ny Tanana saingy mbola an-dalam-panatanterahana ny kaominina.