LES FORCES DE CHANGEMENT: Hamolavola drafitra ho fiaraha-mitantana ny firenena.

Roa volana no niketrahan’ny Vovonana DFP ( Dinika ho Fanavotam-Pirenena) ny tetika manaraka hirosoana amin’ny « fanavotam-pirenena ». Nifampiresaka tamin’ireo  fikambanana laika, antoko politika, Filoha nifandimby  teo aloha  sy ny maro hafa ity vovonana ity. Nampitondraina ny anarana hoe : « les forces de changement »  ny fitambaran’ ireo hery velona ireo.  Tanjon’ny  vovonana ny hiarahana mitondra ny firenena  Malagasy. Nivoatra tao anatin’ny fivoriana nataon’izy ireo androany fa hamolavola fandaharan’asa ho fiaraha-mitantana ny firenena ny hetsika  « les forces de changement ». Nambaran’i Maharavo RATOLONJANAHARY fa  tsy ekena intsony ny fitantanan’ny ekipan’ny fitondrana ankehitriny  fa mila paika ady iraisana ho fanavotam-pirenena.

Ao anatin’ny roa herinandro farafahakeliny dia ho voatambatra ireo volavolan-kevitra ahafahana manangana sata hifehy ny hetsika.  Eo ihany koa ny famolavolana ny paika ady iarahana mitantana  ny firenana miaraka  amin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA.

Mifantoka amin’ny lalam-panorenana, ny tontolon’ny fifidianana, fampihavanam-pirenena, famerenana ny tany tan-dalana io fandaharan’asa iraisana io.