MADA JEUNE: Hitohy rahampitso zoma ny « Salon des Études Internationales ».

Niampy andro iray indray ny hetsika natokana ho an’ny fianarana ambaratonga ambony any ivelany karakarain’ny Mada Jeune. Mbola manana fotoana noho izany ireo mpianatra liana amin’izany,  rahampitso 10 Martsa 2017 eny amin’ny « Salon des Etudes Internationales ». « Mbola hitohy rahampitso ity hetsika andiany fahavalo ity ho fanomezana fahafaham-po an’ireo mpianatra fa indrindra ireo maniry te handranto fianarana any  am-pita kanefa mbola tsy nitsidika ny hetsika noho ny rivo-doza ENAWO », hoy ny mpikarakara Lahatra ANDRIAMAHATSANGY.

Indonésie, Inde, Angleterre,Canada, Amerika… no firenena mampiranty ireo oniversite sy sampam-piofanana misy any amin’ny avy. Tonga eto mihitsy ireo tompondraikitr’ireo fianarana ambaratonga ambony ireo ary afaka miresaka mivantana amin’ny mpitsidika.

Manodidina ny trano heva roapolo no mandrakotra ny « Salon des Etudes Internationales ».

Ho an’ireo liana, 2000 Ariary ny vidim-pidirana.