Anisany niaina tamin’ny fiarahamonina nanjakan’ny asan-dahalo i Réné Fulgence, Talen’ny famokarana ao amin’ny MIP na Madagascar Island Pictures. Izany indrindra no antony namokarana ny horonantsary Malaso I. Mitantara ny zava-misy iainan’ny olona, ny fombafomba ataon’ireo dahalo mialoha sy mandritra ny fanafihana izy ity. “Ho fampahafantarana sy fanairana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny antony namoronana ny Malaso I”, hoy I Jocelyn ANDRIAMANANTSOA. Ankehitriny, vita indray ny andiany faharoa amin’ity tantara marina ity ka ny zoma 03 martsa 2017 eny amin’ny PKO Soarano no handefasana voalohany ny Malaso Madagascar II.
Mandritra ny “Soirée avant-première” no hanaovana izany ary amin’io fotoana io no hampahafantarana ireo mpilalao rehetra. Amin’ny maha alim-pandihizana azy, hanafana ny lanonana i Black Nadia sy Matsubara sady anisany mpilalao amin’ity vokatra vaovao ity.
Aorian’io, hitety faritra ny trano famokarana MIP. Ho an’i Toamasina izao dia faha-10 ny volana Martsa, ny 12 martsa kosa ny any Mahajanga…
Mbola tsy voafaritra mazava tsara kosa ny hivoahany amin’ny kapila.