MEDIATIORA: Fitarainana 177 milaza ny tsy fanjarian’ny asam-panjakana.

Mpanelanelana ny vahoaka amin’ny asam-panjakana ny mediatioran’ny Repoblika. Mandray ireo fitarainana mampikolay ny vahoaka amin’ny fampiasana  izany  ity sampandraharaha ity. Tamin’ny taona 2016, 177 ny isan’ireo fitarainana voarain’ny mediatiora. Nambaran’ny Monique ANDREAS ESOAVELOMANDROSO, tomponandraikitra voalohany ny mediatiora fa ady tany, ny fahasarotana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fandraisana ny fisotroan-dronono ho an’ny mpiasam-panjakana, tsy fahampian’ny vola tokony ho raisin’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina no tena nahazoana fitarainana.

Anisany mitady fanampiana amin’ny mediatiora ireo vehivavy mananontena , nanam-bady  mpiasam-panjakana. “Manahirana azy ireo ny fitadiavana ireo antotan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fisotroan-dronono”. Anisany nandefa fitarainana amin’ity mpanelanelana ity ihany koa ireo manana olana ara-tany ka tonga eny amin’ny tribonaly mihitsy ny raharaha. Ny dingana tokony atao no hangatahan’izy ireo toro-lalana.

Tsy ampy ny vola omen’ny fanjakana an’ny Mediatioran’ny Repoblika.  Mihena  eny am-pandehanana ny teti-bola efa  voafaritry ny  lalan’ ny fitantanam-bola. Noho izany, mifanaraka amin’ny fanampiana azo ny fanatanterahana ny asa.