MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA: Miantoka ny fahasalamana ny sakafo azo antoka.

Ahitana fivarotana sakafo isan-karazany manaraka ny fenitra takiana, toro-hevitra momba ny fahasalamana mifandraika amin’ny fihinana sakafo  ny hetsika natokana ho fankalazana ny androm-pirenena ho fampiroborobobana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao. Hifarana androany 18 novambra 2017, eny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ity andiany faharoa ity.

Misoroka ny fanapoizinana ara-tsakafo ny fahazoan-dalana hamatsy sakafo. “Tokony mahazo  certificat de consommabilité avy any amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ireo mpisehatra momba sakafo vao  manaparitaka ny vokatra eny amin’ny tsena”, hoy ny Tale misahana  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo, Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA.

Voakasika izany avokoa na ny vokatra hafarana any ivelany na vokarina eto an-toerana. Ho famporisihana ireo mpisehatra hanaraka ny fenitra amin’ny fikirakirana ny sakafo sy ny fampahafantarana ny vahoaka fa sakafo  ara-pahasalamana, nohamafisina nandritra  ny androm-pirenena ho fampiroboroboana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao izany.