Nihaona tamin’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany, ZAFILAHY Ying Vah ny Ambasadaorin’ny Australie vaovao miasa eto Madagasikara, Jennifer Anne Dee. Ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena Malagasy no nifampiresahan’ny roa tonta ny zoma 18 Aogositra 2017 teo. “Mivelatra dia mivelatra ity sehatra ity any Australie ka anisany hitondra traikefa amin’ny fampivelarana ny eto an-toerana ny fiaraha-miasa amin-dry zareo mba hitondra fampandrosoana ny firenena ny harena any ambanin’ny tany”, hoy ny Ministra.
Nambarany fa mbola marefo ny hari-karena entin’ny fandraharahana ny harena an-kibon’ny tany. Na dia 4000 aza ny manana karatra maha mpitrandraka, ambany ny tamberim-bidy miditra amin’ny fanjakana amin’ireo harena voatrandraka. Noho ny ezaka natao, tamin’ity taona 2017 ity izay vao tafiakatra iray taonina ny harena an-kibon’ny tany nanaovana fanambarana.
Ankoatra izany, handray an-tanana ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpiasan’ny Ministera ny firenena Australiana amin’ny alalan’ny masoivoho miasa eto.