Naneho tsy fahafaliany ireo mpivarotra asa tanana Malagasy ao amin’ny tsenan’ny Pochard noho ny fanesorana azy ireo eo amin’ny toerany. Nikatona tanteraka io tsena io omaly. Mifanindran-dalana amin’izany anefa dia nampiantso ny mpanao gazety ny fikambanan’ny mpivarotra ka ny solombavambahoaka Michèle RATSIVALAKA sy Naivo RAHOLDINA no niaraka tamin’izy ireo nanazava bebe kokoa ny tantaran’io tany io.
Araka ny “situation juridique”, mpandraharaha Malagasy sady solombavambahoaka am-perin’asa no tompony tany amin’izao fotoana izao. Nohazavain’i Naivo RAHOLDINA fa tomponandraikitra niasa tao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany no nivarotra ny tany tamin’io mpandraharaha io. Raha ny tantara, tanim-panjakana io tany misy ny tsenan’ny asa tanana io. Etsy ankilany, ireo mpivarotra ireo no nanajary azy nandritra ny 20 taona. “ Midika izany fa izay nanamainty molaly no tokony ahazo ny tany”.
Efa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny tomponandraikitra, ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny fanajariana ny Tany ary ireo solombavambahoaka mpitondra tenin’ny fikambanan’ny mpivarotra. Efa dinihina eny anivon’ny fitondram-panjakana ihany koa ity raharaha ity.
Marihina fa vazaha mitondra ny anarana hoe Pochard no tompon’ity tany ity ka rehefa nahazo ny fahaleovantena i Madagasikara, nalain’ny fanjakana ny tany.