PASTEUR MAILHOL: Manam-paniriana hanarina an’i Madagasikara ny Filoham-pirenena.

Ny  fampihavanana no lalana ahafahana mampandroso  an’i Madagasikara. “Rehefa mihavana ny Malagasy, ho mora foana ny mampivoatra ny mponina ao aminy”, hoy i Pasitera Mailhol. Nanamafy ny kabarin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ity farany fa ny firaisan-kina no fitaovana entina hanarenana ny firenena.

Nambaran’ny Lehiben’ny fiangonana Apokalypsy fa manana faniriana te hanarina ny firenena ny Filohan’ny Repoblika.

Isaky ny fety lehibe tahaka ny fetim-pirenena, mamaly ny fanasana foana i Pasitera Mailhol. Raha ny tafatafa natao taminy teny amin’ny lanonam-pankalazana ny asaramanitra 2017, teny  amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, nilaza izy fa hilatsaka  kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2018 raha mangataka ny hirotsahany ny “vahoaka”.