PCO: Voadika amin’ny teny Malagasy ny lalana mifehy ny fianakaviana.

Nadika tamin’ny teny Malagasy avokoa ireo lalana heverina  fa mifehy ny mpivady . Ny tokantrano Malagasy” no lohaten’ilay boky mamaritra ny lalana mifehy ny fanambadiana sy ny tokantrano  navoakan’ny fikambanana  Pot’en Ciel Organizing (PCO). Tafiditra indrindra ao anatin’ny fandaharanasa fampiofanana momba ny fanambadiana izay tontosaina miaraka amin’ny programa Dinika  vatsian’ny vondrona eropeanina vola izy ity.

Amin’izao fotoana izao, fito isan’andro ny  mpivady misaraka eny amin’ny tribonaly. Ny tsy fahafantarana ny lalana mifehy ny fanambadiana no antony lehibe mahatonga izany. Voalaza ao anatin’ny toro-lalana fahatelo nosoratan’ny PCO ny  lalana momban’ny fanambadiana, ny faharavan’ny fanambadiana, ny zaza ary fandovana. “Zaraina maimaim-poana ity boky ity”,hoy ny tomponandraikitry ny fandaharanasa, Laingoniaina. Ireo mpivady miofana eny anivon’ny firaisana enina, eto Antananarivo renivohitra, iarahan’ny fikambanana miasa no mahazo tombony voalohany  amin’izany. “Ankoatra ny fizarana ny boky, manofana ireo tanora vonona hiroso amin’ny fisoratam-panambadiana ihany koa ny PCO mba hisorohana ny herisetra sy ny faharavan’ny tokantrano”.

Hisy ny atrika asa nasionaly ho fanatsarana  hatrany ny torolalana ahafahana mampahafantatra ny andraikitra, ny adidy sy zo hananan’ny mpivady amin’ny volana martsa ho avy izao.