Pety RAKOTONIAINA: “Trosa avokoa ny 99% entina hampandrosoana an’i Madagasikara”.

“Aman-tapitrisa ny harena voajanahary mivoaka eto amintsika isan-taona.  Mbola  latsaka an-katerena foana anefa ny firenena.  Etsy ankilany, ny 99% entina hampandrosoana an’i Madagasikara dia trosa avokoa”,hoy Pety RAKOTONIAINA.

Raha manatanteraka ny fampanantenana nataon’ny tamin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena ary mahita  vokatra ny vahoaka dia tsy hisy mihitsy ny fanonganam-panjakana. Noho izany, matoa ny  misy  ny hetsika fidinana an-dalam-be, fanehoan-kevitra be dia be ireny, tokony ho tonga saina sy  handray fanapaha-kevitra ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA manoloana izany. Nambarany fa tokony hiroso amin’ny fifampidihana nasionaly ny firenena. Henoina avokoa ny hevitry ny hery velona rehetra sy ny vahoaka mba hanarenana an’i Madagasikara.

Tsy sarotra ny mampandroso an’ity firenena ity fa ny mpitondra no manasarotra azy, hoy hatrany i Pety RAKOTONIAINA, Filohan’ny Antoko Tambatra.