POLISIM-PIRENENA: Vehivavy mpisoloky, ody gasy no tao anaty valizy fa tsy “mercure”.

Nilaza fa manana mercure mena sy vola amina miliara i IBRAHIM MOHAMED TSIRANANA. Vehivavy 54 taona ary nisoloky teny Analamahitsy. Vokatry ny fitoriana voarain’ny biraon’ny polisy eny an-toerana nataona olona roa samihafa no nahafahana nisambotra azy. “Tsy nisaraka tamin’ny valizy miisa roa miloko mena sy mainty ity ramatoa ity. Nambarany fa misy mercure mena milanja 24 kilao ilay valizy mena ary vola euro  kosa ilay mainty”, araka ny tatitra nataon’ny kaomisera misahana ny seraseran’ny polisim-pirenena, Alexandre  Sylvain RANAIVOSON. Kanjo rehefa  nosokafana  ireo valizy ireo dia akanjo sy fanafody gasy no tao anatiny.

Mitady trano ho vidiana no nandrebirebeny an’ireo voasolokiny. Manomboka amin’ny telo miliara Ariary no miakatra no tadiaviny. “Nilaza anefa ny tenany fa efa nisy “villa” miisa folo mahery hono no efa nojereny fa tsy tiany”. Noho izany, nampanantena  an’ireto olona ireto ny tenany fa raha mahita ilay trano tadiaviny dia omeny 4X4 sy hividianany trano. Roboka  ireto voasoloky ka nampiantrano azy mandra-pahita izay notadiaviny.

Etsy ankilany, nilaza ilay ramatoa  fa misy terantany vahiny izany hananany vola amina miliara saingy  mila vola 30.000.000 hamoahana azy raha tsy izany tsy azo. Mbola nampiasainy ny “ody gasiny” indray ireo nitory azy  satria nentim-pahatsorana ka ilay vola. Nanomboka teo anefa nanjavona ilay mpisoloky.

Natolotra ny fampanoavana ny  alarobia voalohany ny volana  febroary  2017 ity vehivavy ity ary VOAHANGINIRINA Veromanitra no tena anarany izay avy any Mahajanga.