SBB NANTENAINA ANDRIAMBOAVONJY: Mitohy hatrany ny asa sosialy ao Mandoto.

Tafo fanitso miisa 140 indray no nozarain’ny Solombavambahoaka Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY ho an’ny sekolim-panjakana ao amin’ny Distrikan’i Mandoto.  Trano fianarana EPP telo no nisitraka izany.Entina hanamaivanana  ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fandoavam-bola hividianana izany sy  iatrehana ny oram-pahavaratra  ireo  fanomezana ireo. “Mitohy hatrany ny famahana ny olana ifotony ao amin’ny distrika iadidiako”, hoy i Nantenaina ANDRIAMBOAVONJY.

Ankoatra izany, lasa isan’andro ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana araka ny tatitra nataony tamin’ny governemanta Malagasy. Miaina ao anatin’ny tahotra ny vahoaka satria tao anatin’y tapa-bolana izao dia manjaka tanteraka ny asan-dahalo sy ny halatra omby.  “Ny fanondranana omby any ivelany no tena mahatonga ny halatra omby ka tokony hatsahatra”, hoy izy. Nangataka  tamin’ny  tomponandraikitra voakasik’izany ny tenany. “Tokony  hampiatoana tsy misy hataka andro ny fanondranana omby”.