SECES: Tandindomina fampiatoana ny fampianarana .

Tsy manaiky intsony  Sendikan’ny  mampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana  (SECES) amin’ny fampanantenana poaka aty ataon’ny fanjakana azy ireo. Efa tomponandraikim-panjakana maro no nifampiresahana fa tsy mbola voavaly ny fangatahan’izy ireo. “Miala nenina  farany amin’ny fitondram-panjakana ny sendika hamaliany izany fa raha tsy izany dia tandindomina fampiatoana indray ny oniversitem-panjakana manerana an’i Madagasikara”, hoy ny Filohan’ny sendikan’ny SECES, Sammy Georges RAVELONARIVO.

Araka ny fanazavany,  hatramin’izao mbola tsy azon’izy ireo ihany  ny  « indemnité de logement » sy ny  « indemnité de résidence ». Raha ny 10 septambra 2015 no nisy fifampiresahana tamin’ny Lehiben’ny governemanta teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo   fa ho jerena akaiky ny  fitakian’ny  SECES, mbola tsy nivaly izany.  Nampanantenaina indray ny sendika fa hampidirina ao anatin’ny teti-bola 2017 ny fangatahan’izy ireo,  toa very an-javony fotsiny izany.

Miantso ny fitondram-panjakana ny SECES hamaly ny fangatahany haingana dia haingana. Hivory indray mandeha   ny sendika amin’ny alarobia  ho avy izao fa  raha mbola tsy nahitam-bokatra ny lakolosy fanairana natao androany dia handray fanapaha-kevitra  hentitra izy ireo.