“Miendrika fiarovana an’ilay orinasa iray izay hananan’ny tantsambo vola ny filazan’ireo ampahina mpiasa amin’ny orinasa mpanera anankiray eto Antananarivo fa nanodikodim-bola ny Sekretera Jeneraly”. Nitsipaka marin-drano izany anefa ny SG ny sendika sady Second Capitaine, Lucien RAZAFINDRAIBE nandritra ny valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety, nataon’ny solontenan’ny filan-kevitra nasionalin’ny fikambanana androany. Nambarany ihany koa fa fanasoketana azy, ireny fampielezana vaovao tsy marina ireny satria ny tenany irery no tsy manaiky ny famotsorana ilay vola any amin’ilay orinasa ka atao avokoa ny fomba handetehana azy.
Etsy ankilany, “efa voamarin’ny mpamatsy vola ITF amin’ny alalan’ny taratasy fanamafisana fa voahaja ara-dalana sy nandeha tamin’ireo toro-marika nomeny hampiasaina ny volany ireo vola rehetra nalefany tamin’ny SYGMMA”.
Efa niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa ny sendikan’ny SYGMMA tarihin’ny SG mba tsy ho voafitaky ny mpanararaotra amin’izao raharaha izao fa hijoro amin’ny fahendrena sy maso tsy miangatra.
Na izany aza, vonona ny hifampiresaka amin’ny ankilany foana izy ireo handravonana ny disadisa.