SYNAD : « Ajanony ny tsindrim-politika »

Miray hina amin’ny fanompoana ny tanindrazana. Nanao fivoriam-be tsy ara-potoana ny Sendikan’ny Administrateur Civil (SYNAD) ny 28 Septambra 2022 teny Anosy. Toherinay ny fitsabahana andraikitra, ny hitondrana ity firenena ity amin’ny tsy hitondrana azy, toherinay ny tsy fanomezana fitaovana ny mpiasam-panjakana, hoy i Raholinarivo Paolo, Filohan’ny SYNAD. « Aza hidiran’ny tsy mahay ny asany ary ajanony ny tsindrim-politika ». Misolotena ny filoham-pirenena sy ny governemanta iray manontolo ny Administrateur Civil ka tokony mahazo fitaovana hanatanterahana ny asa ho fitaratry ny mpitondra. Izay diso, esory fa tsy misy maty manota eto, hoy izy. Nihaiky izy ireo fa misy hadisoany  amin’ny zavatra mitranga eto amin’ ny firenena ankehitriny fa tsy midika kosa anefa izany fa tsy mahay ny asanay izahay, hoy i Raholinarivo Paolo. Vonona hanarina ny tsy mety ary hanatevina ny zavatra mety. Ho tohizana ny asa an-davanandro sy ny asa manokana toy ny fanaovana kara-panondro faobe. Zaza hendry tsy mbola nikomy, tsy nanao grevy, tsy nanatsahatra ny asam-panjakana an-davanandro sy asa manokana ny Administrateur Civil raha ny nambaran’ny filohan’ny SYNAD hatrany.

Lynda A.